Sosialy

Kaominina IVATO Asa fa tsy kabary ny an’ny Ben’ny tanàna


  • Talata 07 Aogositra 2018

Tratra ny telo volana hanamboarana ny tsena vaovao araka ny fanamby efa napetraky ny Ben’ny tanàna, voafidy tamin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara, Randrianarisoa Penjy. 20 andro izao no nanombohan’ny asa fanamboarana ary ny 35%-n’ny asa no efa vita.

 Mitentina 2 miliara Ariary mahery ny vola hanamboarana ny tsena izay famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana madiodio. Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy omaly. 120 ireo teknisianina mifarimbona manao ny asa ary tombanana ho vita any amin’ny volana septambra ho avy io ny asa fanamboarana rehetra. Nanamafy izany rahateo ireo mpanao trano. An-jatony ny « box » ho hita ao, hisy « hangar » lehibe telo ny tsena vaovao, izay heverina hahazaka mpivarotra hatramin’ny 2000 raha ny fanazavana hatrany. Misy EPP vaovao efa andalam-pamitana ihany koa ao amin’ny Fokontany Tanambao, ary efa miditra amin’ny fanafoana ny trano amin’izao fotoana. Tsy nisy sekolim-panjakana mihitsy ao amin’ity Fokontany ity ary voatery mandeha alavitra ny ankizy mamonjy sekoly. Hanala fahasahiranana ny ray aman-dreny ary hanampy betsaka ireo ankizy eny an-toerana ny fahavitany. Nidina nijery ny lalana vita teny amin’ny Cités des cadres ao amin’ny kartie fahefatra (K4) ihany koa ny Ben’ny tanàna. Lalana vao novolena ary natao « béton » mirefy 120m izy ity, hahafahan’ny mponina mivezivezy lavitry ny fotaka sy vovoka. Hanana Tranompokonolona vaovao sy tsara kalitao koa ny fokontany Ankadindravola, hanampiana ny mponina amin’ny fandraisana lanonana isan-karazany. Nanamafy i Randrianarisoa Penjy fa ampahan’ny asa tontosa tao anatin’ny telo taona nitantanany ity kaominina vavahadin’i Madagasikara ity ireo ary avy amin’ny hetram-bahoaka no nahafahana nanao ny asa. “Mendrika izany ny mponina Ivato satria mazoto mandoa hetra izy ireo sy ny orinasa ao an-toerana”, hoy izy namarana ny teniny.

 

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT