Sosialy

Kaominina Itaosy “Hanamafy ny fanabeazana olom-pirenena”


  • Alarobia 15 Janoary 2020

“Fanohizana ny asam-pandrosoana izay misy eny amin`ny kaominina no hatao voalohany.

 

 

Betsaka no miandry fa anisan`ny laharam-pahamehana ny fanazavana ny tanàna, ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra”, hoy Randrianarisoa Jean Richard, ben`ny tanàna voafidy ao amin`ny kaominina Itaosy, avy amin`ny antoko Tiako I Madagasikara. Ny fanatsarana ny fambolena sy fiompiana no imasoana satria sady foto-tsakafo no foto-pivelomana ho an`ny fianakaviana tsirairay izany. Eo koa ny fotodrafitrasa lehibe izay tsy vitan`ny kaominina irery toy ny lalana izay tsy maintsy iarahana amin`ny fitondram-panjakana sy sokajin`olona maro. Tsy vitan`ny olon-tsotra moa ny fampandrosoana fa tsy maintsy iarahan`ny besinimaro, hoy ihany izy. Ankoatra ireo, ny fanabeazan`ny olom-pirenena sy fitarihana olona amin`ny fandraisana anjara eo amin`ny fiainan`ny fiarahamonina sy ny fiainan`ny kaominina no hojerena manokana satria rehefa mandray anjara amin`ny fitandroana sy fiarovana ny fananana iombonana ny vahoaka dia mivonona amin`ny fanaovana adidy isan-tsokajiny toy ny fandoavana hetra… Vonona ihany koa amin`ny fanarahana ny fitsipika apetraka eo anivon`ny fiarahamonina. Ireno no mitambatra ho fampandrosoana feno eo amin`ny tanàna, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT