KAOMININA FIOMBONANA

Tafajoro ny fikambanam-behivavy hanampy ireo sahirana


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Betsaka ireo Reny miady irery amin'ny fiainana ankehitriny. Ankoatra ireo maty vady

dia maro tsy tambo isaina ireo nariana na nilaozan'ny Rain-janany....nefa mamelon-janaka. Ho azy ireny indrindra no antom-pijoroan'ny fikambanam-behivavy Andry Fototra Fiombonana ao anatin'ny Kaominina ambanivohitra Fiombonana, distrikan'Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Randriamanantena Gabriel dia miisa 17 ireo mpikambana ankehitriny izay hovatsiana karazam-pitaovana toy ny milina fanjairana sy ny fanaovam-bolo. Ny solombavambahoaka voafidy eny Atsimondrano no hanampy azy ireo amin'izany amin'ny alalan'ny CIAD arahin'ny fanomezana fiofanana. Tanjon'ny kaominina sy ny mpiara-miombon'antoka aminy ny hahatonga ireny karazam-behivavy ireny hanana ny fidiram-bolany manokana tsy ho vesatra ho an'ireo manodidina azy intsony. Tsiahivina moa fa tena manao ho laharam-pahamehana ny sosialin'ireo mponina ao aminy ny Kaominina Fiombonana. Mandeha hatrany ohatra ny fanaovana operation kopia faobe isan-taona hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny. Zazalahy kely miisa 300 ihany koa no noforaina maimaim-poana ny 13 Jona lasa teo izay hitohy amin'ny fanaovana mariazy faobe ho ana mpivady miisa 30 ny datin'ny 14 Aogositra ho avy izao.
Pati
Légende : Randriamanantena Gabriel, Ben'ny tananan'ny Kaominina Fiombonana Atsimondrano. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT