Sosialy

Kaominina Betafo Mahomby ny fitantanana, voaloa ny karama nisavovona


  • Talata 10 Aogositra 2021

Nivoaka ny karaman’ny mpiasa amam-bolana maro tao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Betafo. Tamin’ny herinandro lasa teo dia nandray karama volana maromaro ny mpiasan’ny Kaominina.

Vita hatreto ny “arriéré” tamin’ny karama rehetra raha nisy 8 volana no novantanin’ny Ben’ny Tanana Livasoa Randriatahinamalala. Volana fabroary 2020 aho, hoy izy, no nandray ny fitantanana ny tanananay, aman-jatony tapitrisa ny trosan’ny Kaominina novantaniko, toy ny Karaman’ny mpiasa 8 volana, trosan’ny “imprimerie national” tena aman-taonany maro, ny an’ny Jirama ary misy “fournisseur” mbola tsy voaloa. Hatreto dia eo an-dalam-panarenana izahay ary vita ny “arriéré” ny karama hatreto, efa misy ampahany ny vita ny trosan’ny Imprimerie ary eo an-dalam-pamahana ny olan’ny fournisseur izahay amin’izao, hoy hatrany Atoa Livasoa Randriatahinamama. Tena lavaka be no novantaninay teto amin’ny Kaominina, hoy ny ben’ny Tanàna, ary tena saika kivy ny tena kanefa ho ariana amin’iza ary ny tanindrazana? Miarin-doha hatreto ny kaominina ary ny paik’ady tamin’izany dia ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana ka nahavitanay nitrandraka ireo loharanom-bola voalazan’ny lal0na fa azo trandrahan’ny Kaominina, hoy ity olom-boafidy vao erotrerony ity. Nomarihin’ny Ben’ny Livasoa fa ny fametrahana ny “banderole” na sora-baventy fitakina karama tamin’ny volana Martsa dia tsy hoe akory ny Kaominina no tsy nanam-bola fa ny “procedure” na dingana amin’ny famoaham-bola no tena mananosarotra ary tsy hanomezana tsiny an’iza n’iza izany. Teo ihany koa anefa ny ambadika politika izay natao mba hanolona ho PDS ity mpitantana ity satria dia mahazo fandrahoanana matetika amin’izany ity olom-boafidy tanora mandray andraikitra ity.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT