“Kaominina Antanimasaka

Vakinankaratra


  • Talata 01 Septambra 2026

Notoloran'ny MinCC vary 30 taonina,

fanampiana, fitaovam-pianarana,...
Nidina ifotony ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, ny faran’ny herinandro teo, nijery ny toeram-pivarotana tao amin’ny tsenan’Antanimasaka, distrikan’Ambatolampy. Toromarika mazava no nomeny ho an’ireo mpivarotra: hitandro ny fahadiovan’ny entana amidy indrindra ireo ampiasaina amin’ny fikarakarana sakafo, ary hitondra ny fitaovam-pandanjàna ho tsaraina. Tsy nitondra tanam-polo ny Minisitra fa nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy 118 vao afa-panadinana CEPE sy BEPC, fanampiana ho an’ireo zokiolona, ary vary 30 taonina ho avy tsy ho ela entina hanohanana ny asa tanamaro ho fampandrosoana ao amin’ny Kaominina Antanimasaka. Naneho hafaliana sy fankasitrahana ireo Raiamandreny sy mponina, nanome tsodrano ny Minisitra amin’ny maha-zanaky ny kaominina azy sy amin’ny maha-mpiahy ny Faritra Vakinankaratra. Hafatra manokana no natolony ho an’ireo ankizy vao afa-panadinana: “Ny tenako no manolotra izany amin’ny anaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Praiminisitra”, hoy izy, namporisika ny tanora hilofo hatrany amin’ny fianarana. Nitohy tamin’ny dinik’asa niarahana tamin’ireo Ben’ny Tanàna 19 ao anatin’ny Distrikan’Ambatolampy ny dia. Samy nilaza ny hetahetany ireo Ben’ny Tanàna, ary ny tena iombonana, araka ny tenin’ny Ben’ny Tanànan’Antsampandrano, dia ny fanatsaràna ny lalana. Nanome toky ny Minisitra fa hanao tatitra sy hamaky resaka amin’ireo tompon’andraikitra tandrify, nampahatsiahy fa “efa napetraky ny PRRM fa tsy misy intsony ny baiko midina fa miainga avy any ifotony ny drafi-pampandrosoana mba hifanaraka amin’ny tena filan’ny vahoaka”. Nanotrona ny Minisitra tamin’ny fihaonany tamin’ny mponin’Antanimasaka ny depiote voafidy tao Ambatolampy Miarintsoa Andriantsitonta, ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, ny Lehiben’ny Distrikan’Ambatolampy ary ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny Terak’i Vakinankaratra na ny FITEVA.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT