Kaominina Antananarivo

Vehivavy marefo 160 ireo nahazo fanampiana


  • Talata 13 Aogositra 2024

Miisa 160 ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana marefo eny anivon’ny Fokontany

nahazo fanampiana omaly Alatsinainy 12 Aogositra. Anisan’ny nisitraka izany ny tao amin’ny Boriborintany voalohany sy fahatelo, fanomezana avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ankoatra ny vary, ny menaka, ny savony, ny voamaina ary kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavan'andro dia nomena fampaherezana ihany koa izy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana amin’ny andavanandro. Ny 45 isa tamin’izy ireo moa dia tao amin’ny Boriborintany voalohany raha avy ao amin'ny Boriboritany Fahatelo kosa ny 115 isa ambiny. Izao hetsika izao no natao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Kaomina Antananarivo renivohitra amin'ny alalan'ny Fitaleavana misahana ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina (D3P) ary ny Vondrona Imperial Brands.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT