Sosialy

Kaominina Antananarivo Renivohitra Mpiasa 155 tsy nahazo karama 8 volana


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Mpiasa misahana ny lafiny fanangonan-ketra na “regisseurs auxiliaires” miisa 155 miasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA no mitaraina amin’izao fotoana izao, fa tsy nandray karama nandritra ny 8 volana, araka ny fanambaran’izy ireo omaly.

 

 

Nosoloina olon-kafa ihany koa ny toeran’izy ireo nanomboka ny volana janoary rehefa tonga ny ben’ny tanàna vaovao, saingy mbola irahina manao asa ihany kanefa tsy mandray karama, hoy ireto mpiasa ireto. Ny volana jolay sy aogositra no niverina nanao fifanarahana, kanefa karama iray volana ihany no noraisina izay niteraka tsy fifankahazoana teny amin’ny Biraon’ny Kaominina Tsimbazaza omaly maraina. Betsaka no niasa efa am-polo taonany ary tsy nisy olana hatramin’izay fa nandray karama ara-dalàna. “Tsy nisy fanazavana mazava hoe miala sy voaroaka izahay, fa hoe miato. Tsy vitan’ireo olona nampiasaina anefa, dia nantsoina indray izahay”, hoy izy ireo. 110 000Ar isam-bolana ny karaman’izy ireo, ka 132 tapitrisa ariary no tokony horaisin’ireto mpiasa rehetra ireto tao anatin’izay 8 volana izay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT