Sosialy

Kaominina Antananarivo Renivohitra Mitaiza ny mponina amin'ny fanadiovana


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Niara-nanatanteraka fanadiovana faobe, omaly, ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra rehetra notarihin’ny Lefitry ny Ben'ny tanàna Emilien Ramboasalama sy ny Delegen'ny boriborintany fahefatra Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel,

 

 

izay notontosaina tetsy amin'ny Boriborintany fahefatra, nanomboka teo amin'ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosy hatreny Anosizato Atsinanana, araka lamin'asa napetraky ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nisy ny fanalana ireo fako miparitaka, fisokirana ny lakandrano tsentsina rehetra, ny fanalana ireo 4Mi izay miteraka loto sy aretina ary fanasana ireo toerany ary ny fandrarahana fanafody. Eo koa ny fanentanana ireo vahoaka mba hahalala hanadio fa tsy hiandry foana ny kaominina, ny fandaminana ny mpivarotra ary ny fandrindrana ny fiantsonan'ny fiara. Ny tanjona amin'izao hetsika izao dia fitaizana ireo vahoaka amin'ny fanadiovana sy ny fanentanana mba tsy handoto ary manome modely azy ireo. Hitohy manerana ny Boriborintany eto an-drenivohitra izao hetsika izao.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT