Sosialy

Kaominina Antananarivo Misokatra ny fandoavan-ketra


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Mampafantatra sy manentana ny vahoaka ato anatin’ny Boriboritany 6 eto an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), fa efa nivoaka ny hetran-trano 2018.

 Manentana ny rehetra handoa izany eny amin’ny fandoavan-ketran’ ny  Boriborintany  misy azy avy. Izay tsy mbola nahefa ny hetra dia afaka manatona izany.  Ny”Quittance” manan-kery  dia izay homen’ny tompon’andraikitra eny amin’ny boriborintany fandoavan-ketra ihany. Raha misy fanamarihana manokana na fanazavana hafa mikasika izany dia afaka manatona ny varavarana laharana 82, rihana faha-3 eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely na eny amin’ny Boriborintany misy azy avy. Marihana fa efa nisy ny taratasy fampatsiahivana ho an’ireo tsy nahaloa teo aloha, hoy ny CUA. Adidy tokony hefaina ny hetra  ho fanatsarana hatrany ny tanànan’Antananarivo, mba ho soa iombonan’ny Malagasy, hoy ny fanentanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT