Sosialy

Kaominina Andranonahoatra Itaosy Maika ny fijerena ireo lalan-kely isan-tanana


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Mbola tsy milatsaka akory ny ranon’orana dia efa velom-panahiana sahady ireo mponina sasany ao anatin’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 Anisan’ireny ny ao Ambohikely Avaratra izay efa an-taonany maro ny nanaovana fangatahana ny amin’ny tokony hanaovana ho rarivato ireo lalan-kely miditra any an-tanana hisorohana ny loza mety hitranga. Isaky ny fotoam-pahavaratra mantsy dia saika sahirana avokoa ny rehetra indrindra fa ny ankizy sy ny zokiolona amin’ny fampiasana ireo lalana feno fotaka mandrevo sy malama. Misy hatrany ny maratra sy folaka raha tsy lazaina intsony ireo tapaka. Toy ny antso an’efitra ihany anefa ny antso nataon’izy ireo hatramin’izay fa tsy misy mpihaino. Raha tsiahivina kely anefa dia anisan’ny kaominina tena manao fitaratra amin’izay fanamboarana lalan-kely ho an’ny mponina isan-tanana izay ny kaominina Ankadimanga sy Ambohidrapeto. Vita avokoa ny lalan-kely, eny fa na dia ireo tanana heverina ho manakaiky tanimbary aza. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina Andranonahoatra mba hihetsiketsika fa tsy ho variana fotsiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT