Sosialy

Kaominina Andoharanofotsy Hahaleo tena ara-drano no tanjony


  • Zoma 25 Febroary 2022

Ny rano fisotro madio no mbola tena olan’ireo fokontany 2 amin’ny 8 mandrafitra ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano amin’izao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa,

fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Tota. Anisan’ny tanana tena goavana sy lehibe anefa Andoharanofotsy hoy izy saingy mbola vitsy amin’ireo tokantrano ao an-toerana no manana rano fisotro madio. Manana nofinofy sy tanjona hahaleo tena ara-drano araka izany ity kaominina ity. Amin’ny alalan’ny fitrandrahana ilay tendrombohitra ahitana ilay soratra Astro no hanatanterahana izany. Ireo Fokontany miisa 2 no ezahina hovatsiana rano amin’ny alalan’ity tetikasa ity izay nomarihiny manokana fa horaisin’ny kaominina an-tanana mihitsy ny famatsiana azy fa tsy hankinina amin’ny orinasa JIRAMA intsony. Ankoatra izay dia manantena sy mino ny fanampian’ny Fitondram-panjakana azy ihany koa ity Ben’ny tanàna ity. Anisan’ny handrandrainy ohatra ny fisian’ny kianja manara-penitra ao an-toerana, ny tsena vaovao foto-drafitrasa izay efa nantenainy hatramin’ny ela. Nomarihiny moa fa ny kaominina iadidiany no misy ny lapam-panjakana Iavoloha noho izany dia mino izy fa tsy hamela azy ho irery ny fitondram-panjakana.
Pati
Legende : Rakotoarimanana Henintsoa Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT