Tamin’ny Repoblika voalohany no niorina ny hopitalim-panjakana tao amin’ny kaominina Andina ao amin`ny distrikan`i Ambositra, faritanin`i Fianarantsoa.
Tamin`ny taona 1998 no nasiana fanavaozana farany ka izao hisy fanamboarana izao indray. Ny zanaka am-pielezana avy any Alemaina tonga niala sasatra tany Andina no nitondra ny fanomezana ho an’ny vahoaka tamin`ny alalan`i Rtoa Benjamina Hanitra RÖSCH mianakavy, izay teraka tao Andina sy nanovo fianarana tao amin`ny Sekoly Fanabeazana Fototra tao an-toerana. Mitentina dimy hetsy sy efatra tapitrisa ireo fanomezana ireo toy ny fanafody sy fitaovana maro samihafa: Panneau Solaire, thermos, fitaovana famoahana zaza tsy tafavoaka eo am-piterahana, filtre à eau ... Nahita tsara sy niaina ny fahasarotan’ny fitsaboana tamin`izany fotoana Rtoa Benjamina Hanitra RÖSCH ka izay no nahatonga azy nahatsiaro ny tany niaviany. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Profesora Raphaël Rakotozandrindrainy Ben’ny tanànan’Andina ny fanatsarana ny fahasalamana ka dia nohavaozina tanteraka ny trano honenan’ny dokotera. Mbola nanome penina sy sokolà ho an’ireo ankizy 460 nanala fanadinana CEPE ny talata lasa teo koa Atoa Ben’ny tanàna. Samy nisaotra sy faly tamin’ireo fitaovana ireo ny solontenan’ny Ben’ny tanàna sy ny Dokotera tompon’andraikitry ny hopitaly izay nisaotra amin`ny anaran’ny minisitera sy ny talem-paritry ny Fahasalamana. Resaka manodidina ny fampiterahana sy fiarovana ny reny sy ny zaza avokoa ireo fitaovana ireo. Ny taona 2013 no efa nanome fanampiana voalohany ry zareo any Dilambato ireo. Kidoro hampiasain`ny hopitaly no nomena tamin`izany dia izao nitondra fitaovana fiarovana ny reny sy ny zaza izao indray. Araka izany, mihamitombo hatrany ny fanomezana entin’izy ireo. Tanjona manaraka ny hanolorana “Ambulance”.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.