Sosialy

Kaominina Ampitatafika Vonona amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Vonona amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny kaominina Ampitatafika. Efa nisy ny fanadiovana ny tata-drano rehetra eny an-toerana, hoy ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina,

 asa izay mbola hitohy hatrany. Ampy tsara ny fitaovana  hampiasaina, hoy izy ary tsy nanana olana mihitsy ny mponina nandritra ny fiavian’ny ranon’orana ny fiandohan’ny herinandro teo. Mikasika ny fandriampahalemana indray dia nambarany fa tafakatra folo mianadahy ireo olona mpangalatra scooter teny an-toerana  ary efa nampidirina eny amin’ny fonjaben’Antanimora avokoa. Tanora latsaky ny 23 taona avokoa ny ankamaroan’izy ireo, tarihin-dRalava sy Ramainty  filoha mpitarika azy ireo. Tafiditra ao anatin’ireo koa ny mpandray ireo môtô “scooter” halatra. Na izany aza anefa dia  mbola mitebiteby ihany  ny kaominina Ampitatafika ankehitriny. Raha araka ny feo mandeha eny amin’ny manodidina dia hamoaka azy folo mianadahy ireto  ao anatin’ny fotoana fohy, ireo mpaniraka azy ka efa miomana amin’izany sahady ny mponina, hoy ny sion-dresaka miely eny an-toerana.  Raha tsiahivina, ireo mpitondra  môtô aorian’ny amin’ny 6 ora hariva  sy ireo manana môtô mipetraka ao an-tokotany no tena tafihin’ireo mpangalatra. Ho an’ireo handeha hamonjy fodiana dia torahiny ny kodiarana sy ny jiro ka raha vao mianjera dia any am-pelatanany  avy hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT