Sosialy

Kaominina Ampitatafika Tsy ampy handoavana ny karaman’ny mpiasa ilay fanampiana azo


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Efa azo tamin’ny herinandro teo ilay fanampiana 15 tapitrisa Ar anjaran’ny kaominina Ampitatafika avy amin’ny Fitondram-panjakana. Na izany aza anefa dia nomarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina fa tsy ampy nandoavana ny karaman’ny mpiasa izany izay tafakatra 17 tapitrisa Ar.

 

 

 Ny hetra anefa etsy an-daniny nidina hatrany amin’ny 1 na 2 % hatramin’ny nisian’ny fihibohana teto amintsika raha efa tafakatra hatrany amin’ny 65 % izany teo aloha. Manoloana io tsy fahampiam-bola misy eo anivon’ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano io dia fantatra fa miverina manao fanentanana momba ny fandoavan-ketra eny ifotony indray ny kaominina ankehitriny hahafahana mamerina izany amin’ny laoniny tsikelikely. Nampitomboina ho fito ihany koa ireo olona manao certification sy legalisation eo anivon’ny kaominina amin’izany mba hahafahana mampitombo ny vola miditra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT