Sosialy

Kaominina Ampitatafika Tanimbary 843 ha no tsy azo hambolena intsony


  • Talata 24 Janoary 2023

Tsy dia niakatra loatra ny reniranon’i Sisaony mandalo ao amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano tamin’ity taona 2023 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Tsy mbola misy araka izany ireo traboina hatreto fa mbola afaka miaina any an-tokantranony avokoa ireo mponina monina amin’ny faritra iva. Tanimbary mirefy 843 ha any amin’ny tapany atsinanan’ity kaominina iray ity kosa anefa no tsy azo hambolena intsony ka nahafaty ny 90%-n’ireo vokatra tokony hiakatra. Noho ny fisian’ilay fefiloha mirefy 100 metatra manakaiky ny kaominina Soavina sy Ampanefy izay vaky tamin’ny taon-dasa no mahatonga izany ka nampizara roa ny lalan-drano.Tsy manana teti-bola hanamboarana azy io mantsy ny kaominina na dia fanirian’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina sy ny ekipany fatratra aza ny hamadihana izany ho lalana hitsahin’ny fiara mba hahamafy ilay foto-drafitrasa ka tsy hihotsahany intsony. Tanimbary mirefy 200 ha ao Ambodizozoro sy Soavimbahoaka sisa araka izany no afaka mamokatra ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina moa fa ny mpamatsy vola hamatsy azy ireo no olana hatreto. Anisan’ny tena nanimba ny kolontsaina eto amintsika rahateo hoy izy ny fisian’ilay HIMO ka tsy mety hifanome tanana intsony ny fokonolona raha tsy karamaina na dia asa tokony ho vita sy hitondra soa ho azy aza izany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT