Sosialy

Kaominina Ampitatafika Olona sahirana 2.000 isa nahazo fanampiana


  • Talata 02 Jona 2020

Sambany no nisy olona an’arivony sahirana nahazo fanampiana indray miaraka tao anatin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano.

 

 

 

 

Ny Sabotsy talohan’ny fetin’ny Pentekosta lasa teo no nanatanterahana izany teny amin’ny tany menabe, olona sahirana avy amin’ny Fokontany miisa 13 mandrafitra ny kaominina. Paty, sardine, bisikoitra….no natolotra azy ireo tamin’izany, fanomezana avy amin’ny fondation iray tompon’ity tanimenabe ity. Nomarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nandritra izany fa izao no natao dia hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina ao anatin’izao fihibohana izao. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy vao sambany no nitady hevitra tahaka izao ny Ben’ny tanana entina hanampiana ny isan-tokantrano. Efa tonga teny an-toerana nanome fanampiana toy ny vary ohatra ny solombavambahoakan’ Atsimondrano Alain Ratsimbazafy. Efa nanolotra sakafo masaka teny an-toerana ihany koa ny fikambanana Rotary club. Toraka izany koa ny association Fitia sy ny Ministeran’ny varotra notronin’ny fikambanana Raitra sy ny Ben’ny tanana. Efa nisy ihany koa ireo nahazo fanampiana tamin’ny tosika Fameno sy ny vary mora. Mbola nisy hatrany moa ny fanampiana nangatahin’ity Ben’ny tanana ity tamin’ilay tompon’ny tany menabe hahafahan’ny roa tonta manasoa ny vahoaka sy ny tanana. Nofaranana tamin’ny fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo ny lanonana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT