Sosialy

Kaominina Ampitatafika « Napetraka ilay fanamby tanàna madio ho an’ny rehetra »


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Ny tanàna madio no antoky ny fahasalaman’ny mponina ao aminy. Hotanterahina tsy misy fangarony izany ho an’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Natsangana tamim-pomba ofisialy omaly eo anivon’ity kaominina ity ilay antsoina hoe : TAMARA na tanana madio ho an’ny rehetra. Iarahany miasa miaraka amin’ny ONG Gret izany mandritra ny 12 volana ka anisan’ny tanjona ny hahafahana manofana ireo tanora ao anatin’ny kaominina amin’izay resaka asa fanadiovana izay. Na izany aza tsy ho mpiasan’ny kaominina izy ireo fa hahaleo tena tanteraka rehefa vita ny fiofanana. Ny isan-tokantrano kosa no hirotsaka handoa latsak’emboka entina hanakaramana azy ireo aorian’izany mba hadio lalandava ny lalana. Mikasika ny fidiram-bolan’ny kaominina manokana dia fantatra fa fanaovana legalisation, ny certification ary ny fikarakarana ny acte de vente no anisan’ny tena mampidi-bola ny kaominina Ampitatafika indrindra amin’izao. Mahatratra 300 ka hatramin’ny 400% mantsy ny vola azon’ny kaominina amin’izany rehefa nitarina ny ora fandraisana ireo mpikarakara taratasy. Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hahafahana manefa ara-dalana ny karaman’ny mpiasa anefa dia fantatra fa nakarina ny saran’ny fikarakarana ny acte de vente raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina raha tsy nakarina kosa ny saran’ny fikarakarana kopia mari-pahaterahana sy ny bulletin de naissance ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Ny mba hanatevenana ny kitapom-bolan’ny kaominina no antony ankoatra ny fanatontosana ilay fampiakarana ny karaman’ny mpiasa 10%. Pati Legende : Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT