Sosialy

KAOMININA AMPITATAFIKA Lalankely 4, 5 km no hasiam-panamboarana


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Anisan’ny kaominina mahazo tombony hatrany amin’ireo karazana tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola, vola eto amintsika amin’ny ankapobeny ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ilay tetikasa lalankely izay vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola. Lalankely mirefy 4,5 km no fantatra fa hamboarina ao amin’ity kaominina ity, ka fokontany 12 amin’ireo 13 isa misy no hahazo tombontsoa amin’izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Tanjona amin’izany  ny mba hahafahan’ny mponina rehetra mampirindra ny fiainany amin’ny andavanandro, indrindra fa mandritra ny fotoam-pahavaratra izay tena mampitaraina ny maro tokoa. Fa tsy latsa-danja amin’izany ny fanamboarana tsena. Raha ny fantatra dia ny kaominina roa ihany koa no hahazo tombony amin’izany toa an’Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo samy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ka izy ireo ihany no hanara-maso izany sy hijery izay mpiara-miasa mety aminy.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT