Sosialy

Kaominina Ampitatafika Hozaraina fitaovana ireo ankizy sahirana hanao CEPE


  • Zoma 27 Mey 2022

Hozaraina fitaovam-pianarana na kits scolaire hiatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE avokoa ireo ankizy sahirana ao anatin’ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Ny mba hanalana fahasahiranana ireo Ray aman-dReny no tanjon’ny kaominina raha araka ny fanazavan-dRamarotafika Faly, assistant technique eo anivon’ny kaominina. Ankoatra io fizarana fitaovam-pianarana io dia hitohy amin’ny fanomezana sakafo maimaim-poana ireo mpiadina rehetra ao anatin’ny kaominina ny hetsika ny datin’ny 21 jona ho avy izao. Miisa 1.460 izy ireo, hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 3 izy ireo raha araka ny vaovao azo ka ao amin’ny CEG Faliarivo no ahitana mpiadina betsaka indrindra. Mahatratra 700 mianadahy mantsy izy ireo raha 380 isa ny ao amin’ny EPP sabotsy kely raha ao amin’ny EPP Ambodiafontsy ny ambiny. Tsiahivina moa fa hahazo sakafo atoandro mandritra izany ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra handray anjara amin’ny fampandehanana ny fanadinana CEPE ao anatin’ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Ramarotafika Faly, tompon’andraikitra ara-teknika eo anivon’ny kaominina Ampitatafika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT