Sosialy

Kaominina Ampitatafika Hampiasa ny teknolojia avo lenta amin’ny fitakian-ketra


  • Talata 13 Aogositra 2019

Tsy mbola niova mihitsy ny fitakian-ketra teto amintsika tato anatin’ny 40 taona izao, hoy ny orinasa “Digital Afrique telecom” manana ny foiben-toerany any Côte d’Ivoire.

 

 

 

 Ny olona anefa mitombo isa hatrany. Mahazo vahana ihany koa ireo tsy  ara-dalàna, indrindra fa ireo mpivarotra, antony nanosika azy ireo hanatona ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano izay mpiara-miasa aminy voalohany eto Madagasikara. Nampiofana ireo mpiasa tao amin’ity kaominina ity izy ireo amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta amin’ny fitakian-ketra na ny TPE ( Terminal de paiement electronique) omaly. Tanjon’ny roa tonta ny hahafahana mamantatra ny rehetra ao anatin’ny kaominina Ampitatafika tokony handoa hetra sy ny hampitomboana ny tahan’ny fampidiran-ketra araka ny tokony ho izy. Fitaovana manara-penitra no hampiasan’ireo percepteur sy regisseur  miisa 12 amin’izany. Hatreto mantsy,  raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina dia mbola manodidina ny 40 % hatrany ny tahan’ny fampidiran-ketra eo anivon’ny kaominina Ampitatafika raha mba niakatra 50 % tamin’ny taona 2007. Tena hanampy betsaka ny kaominina Ampitatafika raha ny nambarany ny fiaraha-miasa amin’ity orinasa iray ity satria sady hanara-maso ny asan’ireo tompon’andraikitra voakasika no hampitombo ny tahan’ny fampidiran-ketra ihany koa. Tsiahivina fa i Japon sy i Sina ary i Israel no efa mampiasa ny  TPE amin’ny fitakian-ketra ankehitriny.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT