Sosialy

Kaominina Ampitatafika Betsaka ny asa vita, maro ny mbola miandry


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Betsaka ny asa vita tao amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano tamin’iny taona 2018 nivalona iny.

 

 

 

Efa voaloa daholo ny karaman’ny mpiasa, hoy ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Ny vola aloa eny anivon’ny cnaps ihany koa kely sisa no tsy voaefa nefa amin’ny faran’ity volana Janoary ity no fara fandoavana izany. Efa vita ihany koa ny vidin’ireo kibota roa hitaterana ny fako manerana ny tanàna miampy ireo daban-jaoridira vaovao miisa 12 napetraky ny kaominina isan-tanàna iadiana amin’ny fiparitahan’ny loto. Ho an’ny jiro an-dalambe manokana dia nambaran-dRamparaoelina Rado fa jiro 45 isa vaovao no hapetaka. Lalana 4 km no vita ka anisan’ireny ny mampitohy ny fokontanin’i Malaza sy Ambohimangidy. Toraka izany koa ny mampitohy an’Ampitatafika sy Alatsinaininambazaha hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mamoaka ny vokany. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny sehatry ny fanabeazana. Sekoly ambaratonga fototra iray vaovao no natsangana ao Ambohimahitsy, ahitana efitran-tsekoly roa. Nisy ihany koa ny fikarakarana manokana natao tao amin’ny lisea ka anisan’ireny ilay efitrano roa vaovao napetraka ao an-toerana niampy fanomezana dabilio vaovao, izay vokatry ny ezaky ny kaominina avokoa. Mbola betsaka ihany koa ireo asa miandry amin’ity taona 2019 ity ka anisan’ireny ny fanamafisana ny fitandroana ny fandriampahalemana hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana. Nanatanteraka fotoam-pivavahana ho fitrotroana am-bavaka ny firenena sy ny asa hatao amin’ity taona 2019 ity ny kaominina Ampitatafika, omaly.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT