1 km sisa ny lalana tsy vita, fampanantenana nataon’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina ho an’ireo vahoaka nifidy azy raha 22 km no totalin’izy rehetra.
Efa saika vita daholo ihany koa ireo sekoly ambaratonga fototra sy CEG hianaran’ny zana-bahoaka toy ny EPP ao Ambohipamonjy….Ho an’ny jiro an-dalambe dia efa saika rakotra izany avokoa ny isan-tanana satria dia tafakatra 150 tapitrisa Ar isam-bolana ny jiro aloan’ny kaominina ankehitriny raha 40 tapitrisa Ar teo aloha. Efa saika nahazo paompin-drano fisotro madio ihany koa ireo faritra tsy nanana. Ho an’ny fanabeazana manokana dia hotanterahina manomboka amin’ny taom-pianarana ho avy io ny fifaninanana ho an’ireo sekolim-panjakana sy sekoly tsy miankina rehetra ao Ampitatafika. Hotolorana vola mitentina 700.000 Ar avokoa ireo mpianatra afa-panadinana Bakalôrea ka mahazo mention manomboka amin’ny sokajy A1, A2, C ary D. Ho maimaimpoana ihany koa manomboka izao ny fanamboarana bulletin de naissance ho an’ny mpianatra eo anivon’ny kaominina. Nivoitra ireo nandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena 26 jona teny Ampitatafika. Naharitra 2 andro izany nohafanain’ny tarika Njakatiana sy Stephanie, izay nahavory olona marobe tokoa. Nofaranana tamin’ny fandefasana afomanga sy ilay horonantsary Gisa Mainty II ny hetsika, lanonana sy fampialana voly efa fanaon’ny kaominina isan-taona ho an’ireo vahoaka ao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.