Sosialy

Kaominina Ambohitrimanjaka Manavao ireo fotodrafitrasa misy ao aminy


  • Alarobia 20 Jona 2018

Ho fiomanana amin’ny fetin’ny fahaleovantena amin’ny 26 jona ho avy izao dia manavao ireo fotodrafitrasa misy ao aminy ny kaominina Ambohitrimanjaka izay misy fokontany 25.

Lohalaharana amin’izany ny fanentsemana ireo lavadavaka amin’ny lalana mirefy 3.000 metatra tora-tady simban’ny orana tamin’ny fotoam-pahavaratra. Olana mitoetra misakana  fampandrosoana mantsy izany ka tsy maintsy novahana. Ankoatra ny fanitarana sy ezaka fampitaovana ny lisea eny an-toerana dia nisy ihany koa ny fanorenana toeram-pikarohana (laboratoire) tanatin’ny sekoly. Hikarakara hetsika ihany koa izy ireo amin’ny herinandro ho avy io ho fanampiana ny sahirana amin’ny alalan’ny famoran-jaza faobe, hetsika efa fanao isan-taona hatramin’ny nitondran’ny ben’ny tanàna Mino Rabemihoatra Mbolatiana. Hotsinjovina manokana ihany koa ireo beantitra amin’ny fiaraha-misakafo nofon-kena mitam-pihavanana ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ankoatra ireo famalifaliana ny mponina. Manao antso ho an’ny fitondrana mahefa kosa ny kaominina ankehitriny ho an’ny fanampiana azy ireo, raha nianto-tena hatrany izy ireo tamin’ny hetsika sy ny fampandrosoana ny tanàna hatramin’izay. Mikasika ny fampidiran-ketra manokana dia mbola ambany dia ambany ny eny an-toerana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT