Sosialy

Kaominina Ambohimangakely Namboraka ny olany ny mponina


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Misy fokontany 18 ny kaominina Ambohimangakely. Nanatanteraka fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao 2019 teny an-toerana izy ireo tamin’ny sabotsy 16 martsa lasa teo.

 

 

 Nampiavaka ny fotoana ny nisian’ny dinidinika niarahana tamin’ny solontenan’ireo fokontany ny amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Ankoatran’ny fiaraha-misakafo sy ny famelabelaran-kevitra dia nitantara ny olana sy ny hetahetany tamin’ny Ramatoa Mercia Raolijon, kandida solombavam-bahoaka Avaradrano, ireo solontenan’ny fokontany. Nafana ny fifankalozan-kevitra ary maro ny vahaolana nifampizarana. Mahafantatra tsara ny olana misy eny amin’ny tontolo Ambanivohitra ihany koa moa Ramatoa Mercia Raolijon  satria teraka sy lehibe tao amin’ny fokontany Anjeva gara eny avara-drano ny tenany. Fa nivoitra sy nampikaikaika ny mponina ny tsy fahampian’ ny fanafody sy ny dokotera eny amin’ireny toeram-pitsaboana CSB II ireny any amin’iny kaominina iny. Betsaka ihany koa hoy izy ireo ny reny na ny zaza maty eny am-pandehanana eny noho ny fahavitsiana sy ny fahataran’ireny fiara mpitondra marary ireny. Ankoatr’izay dia misy olana ihany koa ny sehatra fanabeazana. Vitsy ny boky sy ny toerana famakiam-boky, misy ihany koa ny liseam-panjakana izay mbola manofa trano hatramin’izao. Farany, tena manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ka tokony ampitomboana ny zandary miasa any amin’iny kaominina iny satria tena vitsy an’isa izy ireo araka ny tatitry ny mponina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT