Nahazo lisea ihany ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Ny faran’ny herinandro teo ny fotodrafitrasa no notokanana, izay misy rihana iray ahitana efitrano miisa enina. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tany Andoharanofotsy na Mandrimena no manenjika mianatra ireo mpianatra manomboka ao amin’ny taona fahafolo tao amin’ity kaominina iray ity. Nahatsiaro ho sahirana ireo ray aman-dreny sady reraka ihany koa ireo mpianatra. Voavaha tanteraka ny olana ankehitriny. Raha niharitra mantsy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana tao anatin’ny roa taona nanaovana ny asa fanamboarana, dia vita soa aman-tsara ankehitriny ary hanomboka handray mpianatra amin’ity taom-pianarana vaovao ity izy ireo. Tsiahivina fa efa nandray mpianatra tao amin’ny taona fahafolo ny sekoly tamin’ny taom-pianarana farany teo. Ireo ankizy mpianatra vao afa-panadinana BEPC amin’ity taona ity indray no horaisiny miaraka amin’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana Bakalôrea. Tompon’andraiki-panjakana maro no tonga nitokana izany tany an-toerana toy ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano Atoa Alain Ratsimbazafy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.