Sosialy

KAOMININA AMBOHIDRATRIMO Mpiasa 100 natsahatra tamin’ny asany


  • Talata 11 Febroary 2020

Mpiasa miisa 100 amin’ny 107 isa teo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo, no fantatra fa natsahatry ny Ben’ny tanàna vaovao ankehitriny tamin’ny asany.

 

 

 

Raha araka ny fanazavan-dRanivoniaina Olga Farasoa, sekretera manokan’ny Ben’ny tanàna teo aloha dia efa ho herinandro izy ireo izao no natsahatra tamin’ny asany, tsy nisy fankatoavana avy amin’ny filankevitry ny tanàna. Tsy nomena karama volana janoary ihany koa izy ireo sady tsy nomena préavis. Amin’ny ankapobeny anefa dia mamelom-bady aman-janaka avokoa izy ireo. Ny tena nampalahelo dia nandray mpiasa vaovao miisa 50 ny Ben’ny tanàna vaovao nefa dimy taona niasana tamin’ny kaominina ny iray amin’izy ireo izay noroahina raha kely raha misy mahatratra 20 taona latsaka ny sasany.  Tsy fantatra mazava izay anton’ny fampitsaharana hoy  ny Ben’ny tanana teo aloha Clovis Arthur raha  araka ny resaka nifanaovana taminy. Efa mipetraka hatrany mantsy, hoy izy ilay vola 9 tapitrisa Ar handoavana ny karaman’ny mpiasa isam-bolana raha izay no olana, ary tsy mbola nisy karama tara izany mihitsy teo anivon’ny kaominina hatramin’izay. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany moa ny Ben’ny tanàna vaovao izay voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana farany teo dia nambarany fa tsy zakan’ny tetibolan’ny kaominina ny mpiasa be dia be izay nomarihiny manokana fa tsy manana birao akory ny sasany. Ankoatra izay dia tsy maintsy mampiditra mpiasa vaovao izy, ekipa niaraka taminy tamin’ny propagandy vonona hanohana azy amin’ny asa fampandrosoana ny tanànan’Ambohidratrimo  izay hiantsorohany.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT