Sosialy

KAOMININA AMBOHIDRAPETO Mandoa 10.000 Ar izay tratra manary fako eny an-dalana


  • Talata 08 Aogositra 2023

Hentitra ny fitandroana ny fahadiovana ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Be loatra mantsy ireo fako miparitaka etsy sy eroa na dia efa manao izay ho afany aza ireo mpanadio tanana eo anivon’ny kaominina ka tsy maintsy nandraisana fepetra manokana. Fantatra ary fa voasazy mandoa 10.000 izay olona rehetra tratra manary fako eny an-dalana. Tsy hanavahana izany na taratasy fonona mofo, ny “sachet” plastika fonona bisikoitra na hodim-boanjo. Ny hitaizana ny olona hahalala fahadiovana no tanjona fa tsy hiaina lava anaty gaboraraka indrindra fa rehefa mivahiny any amin’ny tananan’olon-kafa. Ho an’ireo mpanary ny fako avy ao an-tokantrano dia tsara hatrany ny mampahatsiahy fa manomboka amin’ny 05 ora maraina isan’andro eny amin’iny faritra Ambohidrapeto sy Andranonahoatra iny dia efa misy olona avy amin’ny Fokontany maka ny fakon’ny isan-tokantrano. Maharitra ora roa eo na telo no hanaovany izany ka tsy tokony hisy intsony ny fanariana fako etsy sy eroa eny amin’ny lalam-bahoaka. Rehefa tsy mandoto mantsy dia efa naman’ny manadio ihany. Tsiahivina fa miteraka aretina maro ny fiparitahan’ny loto toy ny aretin’ny taovam-pisefoana…. Pati
Legende : Tanana madio lavitry ny loto tahaka izao no tanjona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT