Sosialy

Kaominina Ambohibao Sud Efa fantatra avokoa ireo tetikasa hatao isam-pokontany


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Mirindra araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana ao anatin’ny kaominina Ambohibao Sud, distrikan’i Manjakandriana raha araka ny fanazavan’Atoa Fidy Bariniaina, Ben’ny tanàna ao an-toerana.

Taorian’ny nametrahana ilay sehatra maitso izay toerana hanehoana sy hifanakalozana hevitra eo amin’ny samy fokonolona mantsy dia nanjary nazoto nihaona sy nitafa ireto farany ka namboraka izay tena maharary azy isam-pokontany. Ankoatra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia fantatra fa namoaka izay tetikasa maika ho an’ny vahoaka isan-tanana koa izy ireo, fampianarana nampitain’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy taorian’ny nandalovany tany an-toerana. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity hatrany dia nisy tamin’ireo Fokontany no nangataka ny hanaovana rarivato ny lalana ao amin’ny faritra misy azy. Nisy koa ireo nangataka toho-drano…. Farany izay tsy kely akory dia fantatra fa hametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo Fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina, ezaka hataon’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany madiodio.
Pati
Legende : Atoa Fidy Bariniaina, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohibao Sud
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT