Sosialy

Kaominina Ambohibao Antehiroka Zazalahy kely an-jatony no vita famorana faobe


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Zazalahy kely an-jatony no noforaina maimaimpoana ny faran’ny herinandro teo teny Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

Ireo dokotera avy ao amin’ny klinika Balsama no nanatontosa ny fandidiana, noho ny ezaka nataon’ny Ben’ny tanàna Atoa Lalaina Vatosoa. Ankoatra ny famorana izay marihina fa efa mahatratra 150.000 Ar ny tsy mandeha ra sy tsy milahatra ny manao azy amin’izao eny anivon’ireo ivon-toerana tsy miankina ireny raha aloha vola dia mbola notoloran’ny Ben’ny tanàna kilalao ihany koa ireto kilonga madinika ireto. Avy amin’ireo Fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina moa izy ireo raha tsiahivina. Mbola tafiditra ao anatin’izay asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona izay ihany dia fantatra fa hanolotra fitaterana maimaim-poana ho an’ireo mpiadina rehetra hiatrika ny fanadinana Bakalorea ao aminy ihany koa ity Ben’ny tanàna ity. Mandritra ny 4 andro no hanatanterahany izany, mandroso sy miverina ho fanalana fahasahiranana ireo Ray aman-dReny. Betsaka amin’ireo Ray aman-dReny mantsy no tsy manana teti-bola manokana mba handehanan-janany fiara karetsaka mandritra ireo 4 andro ireo fa tsy maintsy ny sakafo atoandro aloha no laharam-pahamehana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT