Sosialy

Kaominina Ambavahaditokana Nahazo fotodrafitrasa fikorianan’ny rano


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Mihetsiketsika ny eny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy eny amin’ny distrikan’Atsimondrano.

Noraisina tamin'ny fomba ofisialy omaly mantsy ireo fotodrafitrasa manamora ny fikorianan'ny rano sy ny fivezivezen'ny olona, indrindra amin'ny fahavaratra. Hisitraka sy hahazo tombontsoa mivantana amin'izany ny fokontany Ambohimarina sy Antanjona. Misy ihany fotodrafitrasa iray eny Ampahasivina izay iraisana amin'ny kaominina Itaosy. Nitarika lanonana fandraisana ireo zava-bita ireo ny ben'ny tanànan'ny kaominina Ambavahaditokana Ratinarivo Bruno sy ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana. Nankasitraka ny asa vita ny mponina saingy nanamarika ihany koa fa mbola misy izay tokony hatao raha io resaka fefiloha sy taboka io no asian-teny. Tsy vao sambany tamin’ny fotodrafitrasa vita tao amin’ny kaominina Ambavahaditokana izao tafapetraka izao, ary tsy ambanin-javatra ny fikojakojana azy ireny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT