KAOMININA AMBAVAHADITOKANA

Ankizy 150 isa nomena kopia mari-pahaterahana


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Ankizy miisa 150 no notoloran’ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano kopia

mari-pahaterahana omaly Alarobia 28 Aogositra. Manodidina ny 3 sy 4 taona ny ankamaroan’izy ireo izay nambaran’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis fa zaza teraka nandritra ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika. Saika natahotra ny fisian’io aretina io avokoa mantsy ny ankamaroan’ny vehivavy ka naleon’ireto farany niteraka tany an-tokantranony niantso Renin-jaza. Olana hatrany anefa no aterak’izany raha araka ny fanazavany toy ny tsy fananan’ny ankizy kopia mari-pahaterahana ka tsy hahafahany mandia ny varavaran-tsekoly izay zo fototra tokony hositrahany voalohany….Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Fikambanana Koloaina moa no angady nanana sy vy nahitana izany. Aorian’ity hetsika ity moa dia fantatra fa hiroso amin’ny fanaovana fisoratam-panambadiana faobe ho an’ireo mpivady mbola tsy vita soratra rehetra ao aminy ny kaominina Ambavahaditokana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ilay kopia mari-pahaterahana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT