Mandalo fotoan-tsarotra ny fitantanana sy ny fiadidiana ny kaominina Ambatondrazaka Renivohitra. Misavovona ny olana, ary misy fiantraikany amin’ny raharaham-panjakana.
Nanomboka ny alarobia teo, misy ny fitokonana anatin’ny fotoana tsy voafetra ataon’ireo mpiasan’ny kaominina, hany ka sahirana ireo manan-draharaha hatry ny omaly. Antony ny fitakian’ny mpiasa ny karamany 7 volana tsy voaray, ary tsy misitraka ny zony ireo mpiasa misotro ronono, hoy ny vaovao azo. Manampy trotraka izay, takian’ny mpiasa ny fangaraharahana momba ny fidiram-bola sy ny fitantanana ny kaominina ka isan’ny mitsingoloka izany ny "commission finance" eo anivon'ny Mpanolontsaina, araka ny voalazan’ny fampahalalam-baovao avy any Alaotra. Tokony mahazaka tena ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra izay mampiditra 249 tapitrisa ariary isan-taona raha manodidina ny 06 tapitrisa ariary isam-bolana ny karaman'ny mpiasa. Tsy misy ny fandraisan'andraikitra, hoy ny mpanolontsaina iray satria: mitobaka ny fako, mihitatra eny afovoan-dalana ny tsena ary tsy voarindra ny fifamoivoizana fa samy manao izay saim-pantany ny rehetra. Etsy andaniny, tsy misy ben’ny tanàna satria naato noho ny raharaha mahasaringotra eny amin'ny fitsarana, saingy mbola tsy nivoaka ny didim-pitsarana mahakasika io raharaha io na dia nomena fahafahana vonjimaika aza ity olom-boafidy ity. Ny lefitra voalohan'ny Ben'ny tanàna no nitantana vonjimaika ny kaominina kanefa nametra-pialana ny 05 aprily ihany koa io. Voatery nandray fanapahan-kevitra ny Prefen’Ambatondrazaka namoaka didim-pitondrana laharana faha-147-PREF/AZK/CTD/CU dia manendry vonjimaika ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna Atoa Raharimanana Tahiry Jean izay Lefitra faharoan'ny Ben'ny tanàna, mba hiantsoroka izay asan’ny olom-boafidin’ny tanàna izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.