Sosialy

kaominina Ambatondrazaka Miroso hatrany ny asa fampandrosoana


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Tetikasa miisa dimy eo hatreto no tanterahana ao amin'ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka. Voalohany amin'izany ny ezaka fanomezana rano fisotro madio ka zanabohitra efatra no hisitraka azy, araka ny nambaran’ny ben'ny tanàna Rafidimanana Louis Félicité.

 

 Tamin'ity herinandro ity dia efa vita ny ampahany tamin'ny asa. Efa manomboka koa izao ny fanavaozana ny Stand central Ambatondrazaka izay kendrena ho vita mialoha ny faran’ny taona. Hiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra dia misy ny fanadiovana lakandrano mirefy 3.000 m amin'izao fotoana ka olona manodidina ny 50 hatramin'ny 100 isan'andro no manao asa tanamaro izay sandaina vary 2kg hatramin'ny 3kg. Tiana ny mampahafantatra fa kaominina nijaly teo amin'ny lafiny famatsiam-bola Ambatondrazaka noho izy kaominina tantanan'ny ben'ny tanàna avy amin'ny antoko Tiako I Madagasikara. Miezaka mitady mpiara-miombonantoka ny eo anivon'ny fiadidiana ny tanàna mba hahafahana manatontosa ireo tetikasa samy hafa.

                               

NiryA

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT