Sosialy

Kaominina Ambatomirahavavy Kara-tany an’arivony maro no nozaraina amin`ny tompony


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Natomboka ny alatsinainy 25 febroary lasa teo, ny fizarana kara-tany faobe andiany faharoa ao amin`ny kaominina Ambatomirahavavy niarahana tamin`ny sampana fananan-tany, mba ahafahan`ireo tompon-tany hisoratra ara-dalàna.

 

 

 Tantsaha avokoa ny ankamaroan`ny mponina amin`iny faritra iny ary tena antom-pivelomany sy fidiram-bola ho azy ireo ny fambolena. 1 500 ny karatra nozaraina, voakasika mivantana ny fokontany Ivelo. Nitarika ny fotoana omaly ny ben`ny tanàna ao Ambatomirahavavy, Randriamampionona Tolojanahary Michel. Ny fananana kara-tany dia harena mipetraka ary laharam-pahamehana satria be loatra ny hosoka sy hala-tany miantraika any amin`ny tompony. Olana manokana ny mianjady amin`ny manam-bola amin`ny didy tsy ara-drariny avoakan`ny fitsarana sady misy ihany koa ny lalàna tokony hohavaozina momba ny fananan-tany eto amintsika izay efa antitra loatra. Hifarana ny zoma izao ny hetsika amin`iny faritra iny. Mahakasika ny asa fampandrosoana amin`ny kaominina dia hotokanana ato ho ato ny Lisea sy tranompokonolona ao Ambatomirahavavy ary tsy ho ela koa dia hisokatra ny oniversite ao amin`ny fokontany Ambohidranomanga, hoy hatrany ny ben`ny tanàna, Randriamampionona Tolojanahary Michel.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT