Sosialy

Kaominina Ambanivohitra Ambohimanambola Notokanana ny trano vaovao


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Notokanana ny zoma 5 oktobra 2018 ny trano vaovaon’ny kaominina Ambanivohitra Ambohimanambola ao amin’ny distrikan’Avaradrano.

 

 

Herintaona katroka no naharetan’ny asa fanamboarana ka vola mitentina 100 tapitrisa ariary latsaka kely ny lany tamin’ny fananganana. Ny 15 tapitrisa ariary tamin’izany no famatsiam-bola avy tamin’ny FDL fa ny sisa kosa dia volan’ny kaominina madiodio. Ahitana efitra 12 ity trano vaovaon’ny kaominina Ambohimanambola ity. Ankoatra an’ireo birao misy ny ben’ny tanàna sy ny lefiny roa sy ny birao handraisan’ireo mpiasa ny mponina manao raharaha ao aminy dia ahitana efitra malalaka fisoratam-panambadiana ihany koa ao aminy. Nambaran’ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola, Ramilijaona Donat Lovaniaina,  tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony fa nivoitra tamin’izao asa vita izao ny fahavitrihan’ny mponina eny an-toerana mandoa hetra eny amin’ny kaominina fa nahatratra 60 % izany  tamin’ny farany teo ka mendrika ny hisitraka an’izao trano vaovao izao. Nanome voninahitra ny lanonana ny lehiben’ny distrikan’Avaradrano sy ireo ben’ny tanàna maro avy eny an-toerana, indrindra ny depiote voafidy teny Avaradrano, Gerry Randriambolaina, izay nanoritsoritra fa mariky ny fandrosoana misy ao amin’ny kaominina iray ny fahavitana fotodrafitrasa manaraka fenitra tahaka izao vao notokanana izao. Tena handrasan’ny mponina tokoa, hoy izy, ny fahavitana asa hita maso tahaka izao ho setrin’ny vola naloany tao amin’io kaominina misy azy io. Araka ny vaovao voaraiko avy amin’ity kaominina Ambohimambola ity, hoy izy, dia ny fanatsarana ny resaka fitaterana sy fanatsarana ny tsena ary ny famatsiana herinaratra ny lalana indray izao no vina handrandrain’ny eny amin’ity kaominina ity amin’ny manaraka.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT