KAOMININA ALASORA

Vonjeo fa tsisy rano, ny faktiora mitomboka ihany!


  • Alakamisy 02 Novambra 2023

Miaina anaty tsy fisian-drano tanteraka ireo mponina ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Ankoatra ny Fokontanin’i Mahitsy izay efa 3 taona tsy nisy rano nitete intsony manerana ireo paompin-drano nefa tsy maintsy aloha isam-bolana ny faktioran’ny JIRAMA dia anisan’ny tena miaina fangirifiriana ao anatin’izany ny ao Alasora tampon-tanana, ny Fokontany Miadana, ny ao Ambohimahitsy… Ireo rano amin’ny kamiao lehibe izay vahaolana vonjimaika no mba hany hiainan’ny mponina hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Ho an’ireo tsy maintsy mandeha mamonjy asa isa-maraina ary ny hariva vao miverina mody dia tsy mba afaka milaha-drano izy ireny. Tsy maintsy miaina ilay vidin-drano 1.500 Ar ny iray bidon miloko mavo vao tonga any an-tokantranony isan’andro raha 50 Ar no hamarotan’ny kaominina azy. Tsy mahagaga io vidin-drano io hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Avy any ambany mantsy no mitatitra ny rano mitety tanana ireo mpikarama, asa tena mafibe tokoa, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao. Miantso ny mpitondra fanjakana sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA araka izany ity Ben’ny tanana ity. Nahitsy izy nilaza fa raha tapaka tsotra ny rano dia miverina avy eo tsy olana. Ny tena mampalahelo anefa hoy izy dia tsy izay no zava-mitranga ety Alasora fa ny orinasa JIRAMA mihitsy no tsy mahavita araka ny tokony ho izy ny asany sy ny fampanantenana nataony. Alainy ny volan’olona hoy izy dia hapetany ny fantson-drano hampidirana rano ho an’ireo mangataka izany nefa ilay famatsiana tsy araka ny tokony ho izy akory. Ireo faritra ambany ihany no misitraka rano hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity fa ireo faritra ambony dia tena mihahaka tanteraka tsy misy mpiahy toy ny zanak’ikala hafa.
Pati
Legende : Tena mangidy ny fitadiavana rano ety Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT