Sosialy

Kaominina Alasora Novatsiana 100 tapitrisa Ariary ireo mponina tsara tetikasa


  • Talata 13 Novambra 2018

Notoloran`ny kaominina Alasora 100 tapitrisa Ariary, raha atambatra, ireo mponina manana tetikasa ho amin`ny fampandrosoana. Olona miisa 100 isa no nahazo famatsiam-bola mba hanatantarehan’izy ireo ny tetikasany avy.

 

Nisy ny fiofanana nandritra ny 3 andro, momba ny famoronana asa, natolotra ho an’ny olona 350 isa avy ao amin’ny kaominina Alasora. Taorian’izay dia nomen’ny kaominina 3 volana izy ireo nandrafetana izay tetikasa tiany hotanterahina. Ny 100 tamin’izy ireo no nanana ny tetikasa tsara indrindra, ka izao notolorana famatsiam-bola izao.  Saika nihodina teo amin’ny fiompiana, fambolena, varotra ary asa tanana avokoa izy ireo, anisan’izany ny famokarana aty matavy (foie gras) sy ny fiompiana papelika. Omaly no natolotra an’ireo olona ireo ny vola, miampy mari-pankasitrahana. Nomarihan`ny ben`ny tanànan`i Alasora, Marc Ramiaranjatovo fa avy ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina madiodio ny vola namatsiana an’ireto tetikasa ireto, vola izay nangonina nandritra ny 2 taona. Mahakasika ny fanaraha-maso indray dia nisy ny fifanarahana nosoniavin’ny kaominina sy ireo misitraka ny tetikasa, ka mamerina ny vola ireto farany, raha tsy ampiasainy amin’ny tetikasa akory. Tanjona ny hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ary antenaina fa hisy fiantraikany any amin’ny kaominina, satria rehefa tafiditra ao anatin’ny sehatra ara-dalàna (secteur formel) ireto nisitraka fanampiana ireto dia afaka mampiditra vola amin’ny kitapom-bolam-panjakana, amin’ny alalan’ny fandoavana hetra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT