Sosialy

Kaominina Alasora Nisitraka kidoro sy panier garni ireo sefom-pokontany


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Miezaka manao izay tratrany ny kaominina Alasora tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur entina hanampiana ireo mpiara-belona aminy.

Nanampy sy nanohana ireo sefom-pokontany am-polony ao amin’ny faritra iadidiany indray ny roa tonta ho famporisihina azy ireo hanao tsara ny asany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana porte Bonheur sy ny kaominina ary ny epsilon Madagascar no angady nanana sy vy nahitana izany. Tsiahivina tokoa moa fa ny sefom-pokontany no anisan’ny tena hivesaran’ny asa indrindra ho an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ka mendrika ny hotohanana tahaka izao. Izy ireo avokoa mantsy no mandamina ireo olana eny anivon’ny fiaraha-monina toy ny adin’ny mpivady, ny tsy fifanarahan’ny mpiara-monina, ireo mpanakorontana amin’ny alina…Ny mampalahelo anefa dia tsy mandray afa-tsy 20.000 Ar isam-bolana izy ireny izay tena kely tokoa raha oharina amin’ny asa hatrehiny isan’andro.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT