Sosialy

Kaominina Alasora Mpianatra 5200 notolorana fanomezana


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Nijery manokana ireo ankizy mpianatra sy mpampianatra rehetra tao amin’ny

 

 

faritra misy azy ny kaominina Alasora, tarihin’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy omaly. Ankizy mpianatra  5200 no nahazo tombontsoa tamin’izany niainga tamin’ny sekoly ambaratonga fototra, niampita tamin’ny sekoly ambaratonga faharoa niazo ny lisea izay samy sekolim-panjakana avokoa. Kilalao, vatomamy, sokola no natolotra ireo mpianatra tsy an-kanavaka tamin’izany raha notolorana pannier garnie ihany koa ireo mpampianatra 241 isa manerana ny ZAP-n’Alasora. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa nandritra izany fa saika nitodika bebe kokoa tany amin’ny resaka fanatsarana ny fanabeazana izy ireo tamin’ity taona 2020 ity ka mbola tafiditra ao anatin’izany izao fahatsiarovana ny ankizy mpianatra rehetra amin’ny ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely izao. Notsiahiviny manokana moa ny mikasika ireo mpampianatra FRAM fa noho ny mbola tsy nandraisan’izy ireo ny tambin-karamany no antony nanampiana sy nankasitrahana azy ireo tahaka izao izay noraisin’ny kaominina an-tanana mihitsy. Mitentina 8 hatramin’ny 10 miliara Ar ny vola lany tamin’izany, tohana avy amin’ny kaominina sy ireo malala-tanana maro samihafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT