Sosialy

Kaominina Alasora Mitohy ny fametrahana jiro isam-pokontany


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Lohalaharana amin’izany ny fametrahana jiro hazava ny tanàna.

 Tetikasa haharitra 2 taona izy ity ka jiro an-jatony no hapetraka amin’ireo Fokontany miisa 20. Ho an’ny Fokontany Miadana, Ampahibato ary Ambodivondava dia ny jiron’ny JIRAMA no hapetraka amin’izany raha misy ihany koa ireo karazana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy. Mbola hisy ihany koa ilay tetikasa hiarahana amin’ny AFD na ny Agence Française de developpement ka lelavola maro no hatontona amin’izany. Tetikasa lalankely indray izy io izay hametrahana jiro miisa 623 ao Alasora, asa hotanterahina amin’ity taona 2022 ity avokoa ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fiarovana ireo foto-drafitrasa iombonana. Mikasika ireo vy niarovana ny zaridainan’i Mandikanamana izay nisy nangalatra moa dia fantatra fa efa miara-miasa akaiky amin’ny polisy sy ny zandary ny kaominina hahafahana misambotra ireo olon-dratsy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT