Sosialy

Kaominina Alasora Mamaimpoana ny fanamboarana kopia fohy


  • Talata 17 Janoary 2023

Ao anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy hiatrehana ny fanadinam-panjakana mihitsy ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy sy fahasivy amin’izao.

Hanomboka ny 23 janoary ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, raha tsiahivina. Manoloana izany indrindra dia maimaimpoana ny fanamboarana bulletin de naissance na kopia mari-pahaterahana fohy ao amin’ny kaominina Alasora. Ho an’ireo mpianatra ao amin’ny faritra iadidiany ihany no misitraka izany ka ireo sekoly mihitsy no mandefa ny lisitr’ireo mpianatra mila izany any amin’ny kaominina hisorohana ny mety ho fanararaotana. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny no tanjona. Ho an’ireo mpianatra tsy mianatra ao Alasora kosa saingy monina ao an-toerana nefa mila izany dia azon’izy ireny hatao avy hatrany ny manatona ny kaominina hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity. Fa ankoatra izay dia efa vita ao anatin’ny 5 ka hatramin’ny 10 minitra ihany koa amin’izao ny kopia iray ao amin’ny kaominina Alasora ho an’ireo izay mila izany. Noho ny fananan’ny kaominina ilay logiciel vaovao manara-penitra mifanaraka amin’izany no hahafahan’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany manatanteraka izany. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny kaominina avokoa moa izany rehetra izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna entina hanomezana fahafaham-po ny mponina.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT