KAOMININA ALASORA

Hetsika ara-tsosialy maro no hanamarihana ny fetin’ny 26 Jona


  • Talata 04 Jona 2024

Toy ireo kaominina maro manerana ny Nosy dia hikarakara hetsika miavaka ny kaominina Alasora

mandritra ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena na ny fetin’ny 26 Jona ho avy izao. Hetsika ara-tsosialy marobe izay mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana no tena hanamarika izany ho azy ireo toy ny didim-poitra faobe izay hitetezana ireo Fokontany miisa 20 mandrafitra ny kaominina. Ny dokotera mihitsy no hanatona ny mponina mandritra izany izay tsy handoavam-bola raha efa mahatratra 60.000 Ar ny mora indrindra manao izany ankehitriny. Toraka izany koa ny fizarana solombody akoho ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona izay hotanterahina eny anivon’ny biraom-pokontany ihany koa ny datin’ny 20 Jona ho avy izao. Rindran-kira sy zava-kanto kosa no hanohizana izany ny datin’ny 25 Jona raha hisy ny hiragasy goavana ny andron’ny 26 Jona. Izany rehetra izany no hatao dia ho fanomezana fahafaham-po ny mponina, raha araka ny fanazavana azo.
Pati
Legende: Tsy adinon’ny kaominina Alasora ny manao didim-poitra faobe tahaka izao isan-taona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT