KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO

Zazalahy kely miisa 40 noforaina maimaimpoana


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Zazalahy kely miisa 40 mahery no noforaina maimaim-poana afak'omaly

Sabotsy 02 Aogositra tao amin'ny kaominina ambanivohitr'Alakamisy Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny kaominina tamin'ny Centre médical Claym izay manampy ireo mponina tsy salama eto amintsika manana ny ivon-toerany eny an-toerana no angady nananana sy vy nahitana izany. Notsiahivin'ny Ben'ny tananan'Alakamisy Fenoarivo Rasolonirina Mendrika fa ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ny mponina no antony nanaovana ny hetsika, indrindra amin'izao hasarotan'ny fiainana misy eto amintsika izao. 100.000 Ar mantsy raha kely amin'izao ny manao didim-poitra zazalahy kely iray ankoatra ny saram-pitaterana sy ny kilalao ary ny malabary hanaovany. Mbola maimaim-poana avokoa anefa izany rehetra izany ho an'ireo zazalahy kely noforaina tao Alakamisy Fenoarivo. Niantohan'ny Ben'ny tanana sy ny ekipany daholo izany niampy ny tolo-tanana avy tamin'ny depiote Voahangy Ramananarivo voafidy tao Atsimondrano. Mbola horaisin'ny kaominina an-tanana moa ny fikarakarana ireo zaza voafora raha sanatria ka misy ny olana taorian'ny fandidiana.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tananan'Alakamisy Fenoarivo nanatrika ny fandidina no sady nanolotra kilalao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT