Sosialy

Kaominina Alakamisy Fenoarivo Nampian'ny Ben'ny tanàna ireo ankizy hanala CEPE


  • Zoma 08 Mey 2020

Nozaraina kiraro avokoa ireo ankizy mpianatry ny sekolim-panjakana hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ao anatin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

 

Ny Ben’ny tanana Rakotobe Jean Christian, tohanan’ny Antoko Tia Tanindrazana sy ny vady andefimandriny no nanolotra izany, mba hampiasain’ny mpianatra amin’izao fidirana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka izao. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia vitsiana ireo ankizy eny ambanivohitra no mba manao kiraro feno sy mafana rehefa ririnina. Saika miaina amin’ny kapakely hatrany izy ireny, hany ka maro ireo vakivaky tongotra tsy fidiny. Ireo mpianatry ny EPP Ambohimarina I sy II ary Ankadivory no nahazo tombontsoa tamin’izany, miisa 150. Tao anatin’ny hafaliana no nandraisan’ireo mpianatra izany izay nanaovana avy hatrany. Velom-pisaorana ity Ben’ny tanàna ity avokoa moa ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra eny an-toerana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT