Sosialy

Kaominina Alakamisy Fenoarivo Nahazo fotodrafitrasa vaovao


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Mbola betsaka ireo Malagasy manao maloto ankalamanjana amin’izao.

 

 

Ho an’ireo mponina eny amin’ny faritra iva dia ny 20 % monja no mba manana toeram-pivoahana isan-tokantrano fa ny ankoatra izay dia mitambatra amin’ny besinimaro na koa manary maloto any anaty tatatra. Voavaha ny olana ho an’ny kaominina Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Nahazo toeram-pivoahana vaovao ity kaominina iray ity, miorina ao amin’ny tsena, toeram-pivoahana ho an’ny dahalobe fahatelo. Vokatry  ny fiaraha misa teo amin’ny Centre Ketsa, ny  zazakely sambatra ary ny  kaominina Alakamisy Fenoarivo no angady nananana sy vy nahitana izany. Famatsiam-bola avy amin’ny  The urgency  RUN Paris no nahafahana nanatanteraka ny asa izay mitentina 30 tapitrisa Ar raha araka ny fanazavan’i Boni, Ben’ny tanàna avy amin’ny tsy miankina, tohanan’ny Antoko Tia Tanindrazana. Raha tsiahivina moa dia efa 23 taona no niorenan’ny   Centre ketsa tao amin’ity kaominina ity, manampy sy manohana  ireo fianakaviana sahirana  ao Alakamisy Fenoarivo.  Lohalaharana amin’izany ny fanohanana ireo ray aman dreny sahirana,  eo ihany  koa ny fampianarana ireo olon-dehibe tsy mahay mamaky teny sy manoratra….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT