Kamboty sy sahirana raisin’ny « Centre Fitahiana »

Iantohan’ny depiote Todisoa ny ampahan’ny ekôlazy, notolorana arendrina


  • Talata 25 Jona 2024

Mitohy hatrany ny asa sosialy ! Taorian’ny didim-poitra faobe ho ana kilonga maherin’ny

500 sy olon-dehibe 6 ny faran’ny herinandro teo, dia nitodika tamin’ireo zana-bahoaka sahirana ao amin’ny Boriborintany faha-6 ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry sy ny ekipany. Amin’izao asaramanitra izao dia nanolotra Arendrina ho an’ireo mpianatra rehetra aman-jatony sahirana indray ity depiote ity. Nitondra ihany koa ny anjara biriky amin’ny fiantohana ny saram-pidiran’ireo ampahany tamin’ireo ankizy sahirana ireo hatramin’izay ka hatramin’izao. Sady nanatrika ny famaranana ny taom-pianarana tao amin’ny “Centre Fitahiana” Avaratanana Ambohimanarina, izay mandray ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana, manabe azy ireo no miantoka ny sakafo rehetra noho izany ity solombavambahoaka ity no nanao adidy ho fanohanana ireo ankizy amin’ny maha vahoaka eo ambany fiahiany azy. Raha hiverenana ny fanehoan-kevitr’ity depiote ity eo anatrehan’ny hoe : tsy asan’ny solombavambahoaka ny asa sosialy tahaka itony, dia ho azy tsy andraikitra fa adidy izany satria mila tan-tsoroka ny vahoaka satria tsy vitan’ny fahefana mpanatanteraka izay tokony hanao azy izany hatreto. Maneho fa manana olom-boafidy miahy sy tsy manadino ao anatin’ny sarotra. Nirary fety sambatra ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra moa ity depiote ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT