Kambana miraikitra tokony hodidiana

Miantso tolo-tànana avy amin’ny Fanjakana


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

Renim-pianakaviana iray vao 30 taona monja no fantatra fa niteraka zazavavy kely kambana nefa miraikitra ny kibony. Tao amina hôpitaly tsy miankina iray tao Ampanefena ireo zaza ireo no teraka izany hoe : samy manana ny lohany saingy mikambana manomboka eo amin’ny tratrany ary mifarana eo amin’ny valahiny izany. Tokony halefa eto Antananarivo hanaovana ny fandidiana moa ireto zaza ireto nefa tsy misy ny enti-manana amin'izany.Tsy mbola nisy Fanjakana na solontena nanampy ny Ray aman-dRenin' ireo zaza ireo rahateo raha ny vaovao azo hatramin’ny omaly Alahady 14 Aprily, fotoana nanoratanay. Tsy vao sambany moa raha tsiahivina no nisy tranga tahaka izao teto amintsika. Anisan’ny lohalaharana niaina izany i Mahagaga sy Mahalatsa izay efa manodidina ny 12 taona eo ho eo ankehitriny. Nentina nodidiana teto Antananarivo izy roalahy kely ka rehefa tsara karakara niaraka tamin-dReniny dia nisaraka soa aman-tsara ny vatany ary afaka niaina tahaka ny olon-drehetra izy. Hetahetan’ny Renin’izy mirahavavy kely miraikitra kibo ireto araka izany ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana azy ireo.
Pati
Legende : Ireo zaza mikamban-kibo sy ny Reniny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT