Sosialy

Kamanja - Anjozorobe Faty mifatotra tongotra aman-tanana hita tao anaty rano


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Lehilahy tokony iray, 38 taona, no hita faty tao amin’ny reniranon’i Mananara, mandalo ao atsimo andrefan’ny tanànan’Ankadivory Fokontany Kamanja, Distrika Anjozorobe.

 

 

 

 

Tao anaty rano no nahitana ilay faty izay efa manomboka simba ny tolakandron’ny alatsinainy 13 jolay 2020. Mifatotra tongotra aman-tanana ilay faty ary mbola nisy vato malao sahabo ho 5kg nifatotra teo amin’ny tendany. Tonga nanamarina ny loza tao an-toerana ny dokoteram-panjakana niaraka tamin’ny zandary rehefa nahazo fampandrenesana. Fantatra fa avy ao Soavinarivo Kaominina Mangamila Distrika Anjozorobe ity lehilahy namoy ny ainy ity. Nalain’ny fianakaviany ny faty taorian’ny fanamarinana ary efa nalevina. Nanokatra famotorana sy fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny brigady Anjozorobe, hikarohana ny antony sy izay tompon’antoka tamin’izao vono olona izay ahiahiana ho niniana natao ity.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT