Sosialy

Kaly Tsinjo Vahaolana vonjimaika ihany


  • Zoma 20 Novambra 2020

Nanomboka omaly ny fizarana kaly tsinjo ho an’ny fianakaviana sahirana sy marefo eto Antananarivo.

 

 

 925 isaky ny sites 6 amin’ny Boriborintany eto no hahazo izany, ka 5550 eo ny olona misitraka. Mandritra ny 78 andro no hisiany, ka 66 600 olona eo no hisitraka azy io, hoy ny avy amin’ny Minisiteran’ny mponina. Tsy voatery hoanina eo amin’ny toerana ny sakafo, fa azo hoentina mody, mety ho lasa ampy olona roa rehefa tonga any an-trano. Vola madiodion’ny Minisiteran’ny mponina no hanaovana azy io. Hisy ihany koa any Toamasina, Fenoarivo Antsinanana, Fianarantsoa, Toliara, Betroka, Ampanihy, Bekily, Tsihombe, Amboasary,… Sakafo manta kosa no voalaza fa hozaraina any amin’ny Faritra tena ianjadian’ny kere, raha ny fanazavana. Mety mahavita izay vitany tokoa io satria tena sahirana ny vahoaka. Na izany aza tsy tena vahaolana maharitra, ary ampahan’olona vitsy no misitraka azy, raha jerena amin’ny isan’ny Malagasy sahirana tanteraka amin’izao fotoana izao. Raha ho an’Analamanga fotsiny izao, dia mety hijanona eto Antananarivo Renivohitra fotsiny, toy ny tamin’ny Tosika Fameno sy Vatsy Tsinjo, kanefa misy distrika maro toa an’Anjozorobe, Manjakandriana, Andramasina,… Tsy manamaivana ny fizarazarana zavatra etsy sy eroa, fa ny vahaolana tena andrasana amin’ny Fanjakana dia ny fampitomboana ny fahefa-mividin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifehezana ny vidim-piainana, fampiroboroboana ny fananan’asa sy fanomezana asa ahafahan’ny olona mampidi-bola,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT