Sosialy

Kaly Tsinjo Tsisy tohiny, ny serasera no betsaka


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Ny volana aogositra no efa niresahana ny hisiana fizarana sakafo maimaimpoana,

 

 

avy eo nambara fa amin’ny vidiny mora 100Ar. Sakafo an’arivony isan’andro no nambara fa hozaraina, ka isan’izany ny teto Antananarivo. Toa nisy kely tamin’ny faramparan’ny novambra, ary nolazaina fa ireo mpanao sakafo eny amin’ny fokontany ihany no hanao azy, ary sandaina amin’ny vidin’ny mora 100Ar. Toa ny serasera no betsaka, ny asa tsy nisy tohiny. Toy ilay vary mora ihany, saingy aty amin’ny iray volana latsaka aty aoriana, vao hoe efa hisy vary 32000taonina ho avy indray. Mety azo hamaivanina ny toe-javatra tahaka ireny, saingy azo hitarafana ny tsy fahamatoran’ny Fanjakana. Maika any amin’ny serasera sy ny dokadoka, fa mitarazoka ny fampiharana. Tsaroana ny “digitalisation” nambara fa ho vita 10 andro efa tany amin’ny 8 aprily, fa aty amin’ny tapaky ny desambra vao hoe: hay izy ity hindramam-bola 140 tapitrisa dolara amin’ny Banky iraisam-pirenena. Zavatra azo ambara ho tsy lavitra ezaka, toy ny fizarana kaly tsinjo aza mitarazoka ny Fanjakana, toa mampanantena ny tsy misy mainka fa any amin’ny zavatra lavitra ezaka, toy ireo ampanantenaina fa hatomboka 2021 ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT